<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tafavory izahay FFPM235</title>
<lyrics>[V1]
 Tafavory izahay
 Eto anatrehanao,
 Ry Jehovah Tomponay !
 Mba hivavaka aminao.

[V2]
 Te-hianatra izahay
 Mba hanao sy sitrakao,
 Mihainoa ny vavakay ;
 Manampia anay izao.

[V3]
 Fa mangataka aminao
 Fanampiana izahay ;
 Raha tsy ampianao;
 Dia ho diso izahay.

[V4]
 Izay rehetra anananay
 Entinay miderà Anao,
 Aoka hazoto izahay
 Mba hanao ny sitrakao.

[V5]
 Aoka handroso izahay
 Mba hanompo tsara Anao,
 Dia hifaly izahay
 Amin'ny fitianao.</lyrics>
<hymn_number>235</hymn_number>
<author>Phoebe P. Knapp</author>
</song>